Bokin'ny Mpitsara 3:1
Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 3
Cross References
Deuteronomy 7:22Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
Deuteronomy 8:16Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
Judges 2:21dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ ny andro nahafatesan’ i Josoa,
2 Chronicles 32:31Nefa noho ny amin’ ny irak’ ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ ny zava-mahagaga natao teo amin’ ny tany, dia nilaozan’ Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
Proverbs 17:3Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
Jeremiah 17:9Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?