The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 3 › Bokin'ny Mpitsara 3:9

Bokin'ny Mpitsara 3:9

Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when the children of Israel cried unto the LORD, the LORD raised up a deliverer to the children of Israel, who delivered them, even Othniel the son of Kenaz, Caleb’s younger brother.

In Context

8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.

10Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.

Read all of Bokin'ny Mpitsara 3

Cross References

Judges 1:13Ary Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.

Judges 2:18Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.

Judges 4:3Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy.

Judges 10:10Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’ Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.

Nehemiah 9:27Koa dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin’ ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony ireo.

Psalms 78:34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 3:9

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 3:8Bokin'ny Mpitsara 3Bokin'ny Mpitsara 3:10 →