Bokin'ny Mpitsara 4:14
Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 4
Cross References
Genesis 19:14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
Deuteronomy 9:3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.
Joshua 10:8Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
Judges 19:28Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin’ ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ ny fonenany.
2 Samuel 5:24Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
Psalms 68:8Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.]