Bokin'ny Mpitsara 4:16
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 4
Cross References
Joshua 10:10Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan’ ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin’ ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
Joshua 11:8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Psalms 83:10Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
Isaiah 43:17Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
James 2:13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.