Bokin'ny Mpitsara 4:2
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ ny Jentilisa, no komandin’ ny miaramilany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 4
Cross References
Joshua 11:10Ary tamin’ izany dia niverina Josoa ka nahafaka an’ i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin’ ny sabatra, satria Hazora no lohan’ ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
Judges 4:16Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
1 Samuel 12:9Nefa raha nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan’ i Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Hazora, sy ho eo an-tànan’ ny Filistina ary ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Moaba, ka niadian’ ireo izy.
Isaiah 50:1Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.