bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 6 › Bokin'ny Mpitsara 6:14
Bokin'ny Mpitsara 6:14
Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin’ izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the LORD looked upon him, and said, Go in this thy might, and thou shalt save Israel from the hand of the Midianites: have not I sent thee?
In Context
13Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’ izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain’ ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan’ ny Midiana.
15Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ ny ankohonan’ ny raiko.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 6
Cross References
Joshua 1:5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
1 Samuel 12:11Ary Jehovah efa naniraka an’ i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
Hebrews 11:32Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Mpitsara 6:14