Bokin'ny Mpitsara 6:34
Ary notsindrian’ ny Fanahin’ i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 6
Cross References
Joshua 17:2Ary nisy koa ho an’ ny taranak’ i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ ny taranak’ i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin’ i Manase, zanak’ i Josefa, araka ny fokony.
Judges 3:27Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
Judges 8:2Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’ i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’ i Abiezera?
Judges 14:19Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ ireo ka nomeny ho an’ izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Samsona, ka niakatra nankany amin’ ny tranon-drainy izy.
1 Samuel 10:6Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’ i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
1 Samuel 16:14Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.