Bokin'ny Mpitsara 6:5
fa niakatra izy nitondra ny omby aman’ ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin’ ny tany izy handrava azy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin’ i Jehovah izy.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 6
Cross References
Deuteronomy 28:33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
Judges 8:10Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
1 Samuel 30:17Ary Davida namely azy tamin’ iny takariva iny ka hatramin’ ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
Song of Solomon 1:5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’ i Jerosalema, toy ny lain’ i Kedara, toy ny ambain-dain’ i Solomona.
Isaiah 60:6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
Jeremiah 49:29Halainy ny lainy sy ny ondry aman’ osiny, ho entin’ ny ambain-dainy mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!