The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 7 › Bokin'ny Mpitsara 7:11

Bokin'ny Mpitsara 7:11

dia ho renao izay lazain’ ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ ny toby. Dia nidina niaraka tamin’ i Pora zatovony izy ho any an-tsisin’ ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin’ ny toby.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And thou shalt hear what they say; and afterward shall thine hands be strengthened to go down unto the host. Then went he down with Phurah his servant unto the outside of the armed men that were in the host.

In Context

10Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ ny toby Pora zatovonao;

12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.

Read all of Bokin'ny Mpitsara 7

Cross References

Genesis 24:14koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’ Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

Judges 7:13Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ ny tobin’ ny Midìna ka nankamin’ ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.

1 Samuel 14:12Ary ny miaramila namaly an’ i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Isiraely izy.

Ezra 6:22ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.

Isaiah 35:3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.

Ephesians 3:16mba homeny anareo, araka ny haren’ ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ ny Fanahiny ny toe-panahinareo;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 7:11

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 7:10Bokin'ny Mpitsara 7Bokin'ny Mpitsara 7:12 →