Bokin'ny Mpitsara 7:13
Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ ny tobin’ ny Midìna ka nankamin’ ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 7
Cross References
Judges 3:15Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
Judges 4:9Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’ i Jehovah an’ i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin’ i Baraka hankany Kadesy
Judges 6:15Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ ny ankohonan’ ny raiko.
Isaiah 41:14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.