Bokin'ny Mpitsara 7:14
Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’ i Gideona, zanak’ i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’ Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 7
Cross References
Exodus 15:14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
Numbers 23:5Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
Numbers 24:10Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
Joshua 2:24ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.
Judges 3:28Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.