Bokin'ny Mpitsara 7:24
Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’ i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 7
Cross References
Judges 3:27Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
Judges 8:3Teo an-tananareo no nanoloran’ Andriamanitra ny andrianan’ ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ ireo taminy.
John 1:28Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.
Philippians 1:27Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,