Bokin'ny Mpitsara 7:8
Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 7
Cross References
Leviticus 23:24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.
Numbers 10:9Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.
Joshua 6:20Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ ny vahoaka ny feon’ ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’ izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
Judges 6:33Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin’ ny tany lemaka Jezirela.
1 Corinthians 15:52fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.