Bokin'ny Mpitsara 8:10
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 8
Cross References
Judges 7:12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
Judges 7:22Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’ i Jehovah tamin’ ny sabatra ny miaramila eran’ ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ ny fari-tanin’ i Abela-mehola akaiky an’ i Tabata.
Judges 20:15Dia voalamina tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
Judges 20:25Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin’ ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak’ Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Judges 20:46Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin’ izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
2 Chronicles 13:17ka nahafatesan’ i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin’ ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.