Bokin'ny Mpitsara 8:26
Ary ny lanjan’ ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ ireo mpanjakan’ ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ ny vozon’ ny ramevany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 8
Cross References
Esther 8:15Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
Ezekiel 27:7Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Elisa no eloelonao.
John 19:2Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,
Revelation 17:4Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
Revelation 18:16ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila!