Bokin'ny Mpitsara 8:6
Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 8
Cross References
Genesis 25:13Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
Genesis 37:28Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ ny Isimaelita; ary dia nitondra an’ i Josefa ho any Egypta ireo.
Judges 8:15Ary Gideona dia nankany amin’ ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
1 Samuel 25:11Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
2 Kings 14:9Fa Joasy mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
Philippians 2:21Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’ i Jesosy Kristy;