Bokin'ny Mpitsara 9:1
Ary Abimeleka, zanak’ i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin’ ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin’ izay rehetra isan’ ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 9
Cross References
Genesis 33:18Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.
Joshua 20:7Dia nanokana an’ i Kadesy any Galilia any amin’ ny tany havoan’ i Naftaly izy sy Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin’ ny tany havoan’ i Joda.
Judges 8:31Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
1 Kings 12:1Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
1 Kings 12:20Ary rehefa ren’ ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin’ ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak’ i Davida afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.