Bokin'ny Mpitsara 9:27
Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an’ i Abimeleka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 9
Cross References
Exodus 32:6Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
Leviticus 24:11Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);
Judges 9:4Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon’ i Bala-berita izy, ary nanambazan’ i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
Judges 16:23Ary nivory ireo andrianan’ ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’ i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
Psalms 109:17Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
Isaiah 22:12Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.