Bokin'ny Mpitsara 9:28
Ary hoy Gala, zanak’ i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak’ i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’ i Hamora, rain’ i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 9
Cross References
Genesis 33:19Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
Genesis 34:6Dia nivoaka Hamora, rain’ i Sekema, nankany amin’ i Jakoba hidinika taminy.
1 Samuel 25:10Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.