Bokin'ny Mpitsara 9:7
Ary nisy nilaza izany tamin’ i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan’ Andriamanitra anareo kosa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 9
Cross References
Genesis 37:6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
Deuteronomy 27:12Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
Psalms 18:40Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
Proverbs 1:28Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
Proverbs 28:9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Isaiah 58:6Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?