Bokin'ny Fitomaniana 1:14
Ny ziogan’ ny fahotako nofehezin’ ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 1
Cross References
Proverbs 5:22Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy
Isaiah 47:6Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Jeremiah 27:8Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.
Jeremiah 28:14Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin’ ny vozon’ ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
Jeremiah 34:20dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy, ary ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 39:1Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema ka nanao fahirano azy;