Bokin'ny Fitomaniana 1:2
Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 1
Cross References
Job 6:15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
Job 19:13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
Psalms 31:11Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
Psalms 77:2Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
Isaiah 51:18Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
Jeremiah 4:30Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.