The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Fitomaniana › Bokin'ny Fitomaniana 1 › Bokin'ny Fitomaniana 1:3

Bokin'ny Fitomaniana 1:3

Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben’ ny fanompoana; Mipetraka ao amin’ ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Judah is gone into captivity because of affliction, and because of great servitude: she dwelleth among the heathen, she findeth no rest: all her persecutors overtook her between the straits.

In Context

2Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.

4Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin’ ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon’ ny fahoriana mangidy.

Read all of Bokin'ny Fitomaniana 1

Cross References

Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.

Deuteronomy 28:64Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.

2 Kings 24:14Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.

2 Kings 25:21Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.

Jeremiah 13:19Voarindrina ny tanàna any amin’ ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.

Jeremiah 24:9eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Fitomaniana 1:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Fitomaniana 1:2Bokin'ny Fitomaniana 1Bokin'ny Fitomaniana 1:4 →