Bokin'ny Fitomaniana 1:4
Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin’ ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon’ ny fahoriana mangidy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 1
Cross References
Isaiah 3:26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
Isaiah 32:9Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
Jeremiah 10:22Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin’ ny fihorakorahana be avy any amin’ ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan’ ny Joda ho lao sy ho fonenan’ ny amboadia.
Jeremiah 33:10Izao no lazain’ i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ao amin’ ny lalamben’ i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
Lamentations 1:18Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko.
Lamentations 2:9Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.