Bokin'ny Fitomaniana 1:5
Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan’ ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan’ ny fahavalony,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 1
Cross References
Deuteronomy 4:25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Deuteronomy 28:41Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
Deuteronomy 28:44Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.