Bokin'ny Fitomaniana 1:7
Tsaroan’ i Jerosalema amin’ ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 1
Cross References
Deuteronomy 4:34Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Job 29:2Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
Psalms 77:3Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
Psalms 79:4Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.
Psalms 147:19Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
Isaiah 64:10Ny tranonay masìna sady mendrika, Izay nideran’ ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.