Bokin'ny Fitomaniana 2:1
Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan’ ny Tompo rahona amin’ ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin’ ny tany ny reharehan’ ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ ny andro fahatezerany!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 2
Cross References
1 Samuel 4:22Ary hoy izy: Afaka tamin’ ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra.
1 Chronicles 28:2Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
Psalms 99:5Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy.
Isaiah 14:12Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Jeremiah 30:14Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ ny lozabe, noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao.
Lamentations 1:12Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’ i Jehovah ahy tamin’ ny andro firehetan’ ny fahatezerany.