The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Fitomaniana › Bokin'ny Fitomaniana 2 › Bokin'ny Fitomaniana 2:10

Bokin'ny Fitomaniana 2:10

Mipetraka amin’ ny tany ny loholon’ i Ziona zanakavavy ka mangìna; Nasiany vovoka ny lohany, misikìna lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin’ ny tany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

The elders of the daughter of Zion sit upon the ground, and keep silence: they have cast up dust upon their heads; they have girded themselves with sackcloth: the virgins of Jerusalem hang down their heads to the ground.

In Context

9Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.

11Pahina ny masoko azon’ ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin’ ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.

Read all of Bokin'ny Fitomaniana 2

Cross References

Joshua 7:6Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.

Job 2:12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.

Isaiah 3:26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,

Isaiah 36:22Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.

Isaiah 47:5Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.

Lamentations 1:1Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ ny firenena sy andriambavy tamin’ ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Fitomaniana 2:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Fitomaniana 2:9Bokin'ny Fitomaniana 2Bokin'ny Fitomaniana 2:11 →