Bokin'ny Fitomaniana 2:13
Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 2
Cross References
Psalms 60:2fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira.
Jeremiah 8:22Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
Jeremiah 14:17Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman’ alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin’ ny kapoka maharary indrindra.
Jeremiah 30:12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
Jeremiah 30:15Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
Lamentations 1:12Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’ i Jehovah ahy tamin’ ny andro firehetan’ ny fahatezerany.