Bokin'ny Fitomaniana 2:4
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ ny lain’ i Ziona zanakavavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 2
Cross References
Leviticus 26:17Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
1 Samuel 28:16Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
2 Chronicles 34:25Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia haidina amin’ ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Job 16:12Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
Psalms 7:13Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
Isaiah 51:17Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ ny tànan’ i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ ny faikany.