Bokin'ny Fitomaniana 2:9
Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 2
Cross References
Deuteronomy 28:36Ho entin’ i Jehovah ho any amin’ ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
1 Samuel 28:6Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
2 Kings 25:7Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason’ i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
Nehemiah 1:3Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.
Isaiah 24:12Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
Jeremiah 39:2ary nony tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),