Bokin'ny Fitomaniana 3:11
Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He hath turned aside my ways, and pulled me in pieces: he hath made me desolate.
In Context
10Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 3
Cross References
Job 16:12Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
Isaiah 3:26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
Jeremiah 6:8Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
Jeremiah 19:8Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
Jeremiah 51:20Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
Daniel 2:40Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.