Bokin'ny Fitomaniana 3:24
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD is my portion, saith my soul; therefore will I hope in him.
In Context
23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
25Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 3
Cross References
Deuteronomy 18:2Fa tsy hanan-dova eo amin’ ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.
1 Chronicles 5:20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
Job 22:25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
Psalms 31:24Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
Psalms 42:11Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao?
Psalms 62:8Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra.