Bokin'ny Fitomaniana 3:51
Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Mine eye affecteth mine heart because of all the daughters of my city.
In Context
50Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
52Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 3
Cross References
Genesis 44:34Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.
Jeremiah 4:19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
Jeremiah 14:16Ary ny firenena izay aminanian’ ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben’ i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
Jeremiah 19:9Ary hampihinaniko ny nofon’ ny zananilahy sy ny nofon’ ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ ny namany avy izy eo amin’ ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren’ ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
Lamentations 2:21Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon’ ny sabatra, Novonoinao tamin’ ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
Luke 19:41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy