Bokin'ny Fitomaniana 3:56
Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast heard my voice: hide not thine ear at my breathing, at my cry.
In Context
55Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
57Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 3
Cross References
2 Chronicles 33:19Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken’ Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Hozay izany.
Psalms 3:4Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
Psalms 5:3Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.
Psalms 6:9Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako.
Psalms 55:1Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida.
Psalms 55:18Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,