Bokin'ny Fitomaniana 3:57
Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou drewest near in the day that I called upon thee: thou saidst, Fear not.
In Context
56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
58Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 3
Cross References
2 Kings 19:6Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
Psalms 138:3Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
Isaiah 41:10Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
Jeremiah 1:17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Acts 27:24ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.