Bokin'ny Fitomaniana 4:11
Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 4
Cross References
Leviticus 26:28dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Isaiah 51:20Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin’ ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny teny mafy ataon’ Andriamanitrao.
Jeremiah 7:20Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
Jeremiah 13:14Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
Jeremiah 15:1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
Jeremiah 19:3ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny