Bokin'ny Fitomaniana 4:21
Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 4
Cross References
Genesis 36:28Ary izao no zanak’ i Disana: Oza sy Arana.
Job 1:1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
Psalms 137:7Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.
Isaiah 34:1Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
Jeremiah 25:15Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
Jeremiah 49:12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.