Bokin'ny Fitomaniana 4:3
Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 4
Cross References
Deuteronomy 28:52Dia hataony fahirano any amin’ ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran’ ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin’ ny tanànanao rehetra eran’ ny taninao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
2 Kings 6:26Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
Job 39:16Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
Jeremiah 19:9Ary hampihinaniko ny nofon’ ny zananilahy sy ny nofon’ ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ ny namany avy izy eo amin’ ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren’ ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
Lamentations 4:10Ny tanan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
Luke 23:28Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.