Bokin'ny Fitomaniana 4:8
Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 4
Cross References
Job 2:12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.
Job 30:17Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
Job 33:21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
Psalms 38:3Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
Psalms 102:11Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
Isaiah 52:14Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),