Bokin'ny Fitomaniana 5:7
Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Our fathers have sinned, and are not; and we have borne their iniquities.
In Context
6Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
8Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 5
Cross References
Genesis 42:36Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
Numbers 14:18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Job 7:21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Jeremiah 16:11dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.
Jeremiah 31:15Izao no lazain’ i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ ny zanany, satria lany ritra ireny.
Ezekiel 16:58Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.