Bokin'ny Levitikosy 1:2
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 1
Cross References
Genesis 4:5fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
Leviticus 22:19dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak’ ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
Numbers 7:15ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
1 Chronicles 16:29Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna
Romans 12:1Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
Ephesians 5:2ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.