Bokin'ny Levitikosy 1:4
Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 1
Cross References
Exodus 29:10Ary asaovy entina ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy;
Exodus 29:19Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
Leviticus 3:8Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
Leviticus 4:4Ary hitondra ny vantotr’ ombilahy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan’ i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 4:20Ary ny vantotr’ ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny vantotr’ ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an’ ny olona, dia havela ny helony.
Leviticus 4:26ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.