Bokin'ny Levitikosy 1:7
Ary ireo zanak’ i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 1
Cross References
Genesis 22:9Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’ i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ ny alitara teo ambonin’ ny kitay.
Leviticus 9:24Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
1 Chronicles 21:26Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
Nehemiah 13:31ary ny amin’ ny fanaterana ny kitay hazo tamin’ izay fotoan’ androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.