Bokin'ny Levitikosy 10:19
Ary Arona niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan’ i Jehovah, ary efa azon’ izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason’ i Jehovah va izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary raha ren’ i Mosesy izany, dia nankasitrahany.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 10
Cross References
Leviticus 9:8Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny tenany.
Deuteronomy 12:7ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
1 Samuel 1:7Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
Isaiah 1:15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Jeremiah 14:12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
Malachi 1:10Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.