Bokin'ny Levitikosy 10:3
Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 10
Cross References
Exodus 14:4Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany.
Exodus 19:24Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midìna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’ i Jehovah, fandrao haringana izy.
Leviticus 8:35Ary hitoetra eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman’ alina ianareo ka hitandrina izay asain’ i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
Leviticus 21:8Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.
Leviticus 21:17Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny;
Leviticus 22:9Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasìna azy.