Bokin'ny Levitikosy 10:9
Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona ka nanao hoe:
10ary mba hahaizanareo manavaka ny masìna sy ny tsy masìna, ary ny madio sy ny tsy madio,
Read all of Bokin'ny Levitikosy 10
Cross References
Exodus 27:21Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby,
Numbers 6:3dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
Proverbs 20:1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
Isaiah 28:7Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ ny divay ary mivembena azon’ ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ ny toaka; Resin’ ny divay ireo; Mivembena azon’ ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ ny fitsarana.
Ezekiel 44:21Ny divay dia tsy hosotroin’ izay mpisorona, raha miditra any amin’ ny kianja anatiny izy.
Luke 1:15Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.