Bokin'ny Levitikosy 12:2
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
3Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 12
Cross References
Genesis 1:28Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.
Leviticus 5:3na misy mikasika ny fahalotoan’ olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
Leviticus 15:19Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Job 14:4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
Job 25:4Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
Luke 2:22Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’ i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ ny Tompo