Bokin'ny Levitikosy 13:4
Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin’ ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 13
Cross References
Leviticus 13:25ary zahan’ ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny itoeran’ ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin’ ny may izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
Leviticus 13:50Ary hozahan’ ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
Numbers 12:14Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha nandrora tamin’ ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
Deuteronomy 13:14Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
1 Corinthians 4:5koa amin’ izany aza mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fihavian’ ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’ Andriamanitra izy rehetra.