Bokin'ny Levitikosy 14:4
dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain’ ny mpisorona ho an’ ilay hodiovina;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 14
Cross References
Exodus 12:22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
Leviticus 5:7Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an’ i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
Leviticus 14:6Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
Leviticus 14:50Dia hovonoiny eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha ny vorona anankiray;
Numbers 19:18Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin’ ny rano, dia hafafiny amin’ ny lay mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin’ aretina, na ny fasana.
Hebrews 9:19Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;